Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 15.42-47;16.1-8
42 Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata), 43 dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy. 44 Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia. 45 Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty. 46 Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy. 47 Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 15.42-47;16.1-8

Matetika ny olona dia manana finiavana, fikasana tsara eo amin’ny fiainana . Maro no te- hanao soa. Misy anefa ny sakana , ilay vatobe : »Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana hisolo antsika? » . Mazana ny fiainan’ny olona eo anatrehan’ny fikasana , ny finiavana dia misy eritreritra mihelohelo : aiza no ahitana fitaovana na vola? Iza no hanampy? Ho vitantsika ve izany ?… Ireo ilay vatobe nanjo ireto vehivavy ireto . Resy lahatra anefa izy ireo hiatrika ilay asa , niroso ny dia : »Fa nony nitraka izy , dia indro hitany fa efa voakodia niala ny vato , fa lehibe dia lehibe ny vato » (and4) ary zava-nahagaga no hitany sy reny : »efa nitsangana Izy » (Jesoa Kristy avy any Nazareta) »(16.1) . Hain’ Andriamanitra ny mamaha ny olana rehetra na toy inona na toy inona karazany sy endriny . Ny fahavononan’ny olony no zava-dehibe andrasany .

Ry havana , te- hanao zava-baovao sy asa mahagaga maro eo amin’ny fiainanao sy ny ankohonanao koa i Jesoa Kristy ANIO . Minoa ary meteza ho resy lahatra hiroso fa vonona i Jesoa Kristy hamaha ny olanao , hanaisotra ilay vatobe manakana anao sy ny ankohonanao tsy hiatrika araka ny tokony ho izy ny asan’ny Tompo .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra « Boky faha- 6