Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 16.9-20
9 [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy] 10 [Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany] 11 [Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany] 12 [Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha] 13 [Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa] 14 [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] 15 [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] 16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] 19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] 20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 16.9-20

Vehivavy izay ambara ho fanaka malemy, natao anjorombala teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy , sady demoniaka « Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito » no nisehoan’i Jesoa voalohany raha vao nitsangana tamin’ny maty Izy , ary nirahiny hampita izany

Tsy ny lehilahy na ny olona marina sy tsara ihany izany no fitaovana sy fiasam-pamonjena ary iraka fa na dia ireo heverina ho tena mpanota aza . Samy nirahiny :  » Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » na ny lehilahy na ny vehivavy na ireo mihevi-tena ho marina, na ireo heverin’ny mpiara-monina ho mpanota koa aza.

Te-hitaona ahy sy ianao ny Soratra masina eto fa tsy mifidy sokajin’olona hirahina hanambara ny vaovao mahafaly i Jesoa Kristy, ny finoana ihany no fepetra takiny ka : « Izay mino sy atao batisa no hovonjena , fa izay tsy mety mino no hohelohina » . Raha mino an’i Jesoa Kristy ny olona iray dia manolo-tena, ka hahavita asa mahagaga , famahana ny olan’ny hafa, fanasitranana izay tsy takatry ny saina aza (and17-18). Miantefa amnao ny antson’ i Jesoa Kristy anio handray ny famonjena sy hamaha ny hetahetan’ny mila vonjy raha mino Azy ianao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6