Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 6.45-56
45 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka. 46 Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. 47 Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety. 48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy. 49 Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. 50 Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra. 51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. 52 Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony. 53 Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo. 54 Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo 55 ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany. 56 Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana* izay rehetra nanendry Azy.[*Gr. voavonjy]

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 6.45-56

Rehefa variana sy sondriana ary difotra amin’ny zava-misy ety amin’izao tontolo izao ny olona « sahirana nivoy fatratra , fa notohain’ny rivotra » dia toa tsy mahatsapa intsony ny fisian’i Jesoa Kristy . Toa takona i Jesoa Kristy . Toa matoky tena sy mihevi-tena ho mahery aza kanjo indrisy : »nataony ho matoatoa , ka niantso mafy izy ireo . Fa izy rehetra samy nahita Azy (Jesoa Kristy ) avokoa , ka dia raiki-tahotra » .

Eo anatrehan’izay heverintsika ho tena ady , zava-tsarotra indrindra anefa ka mahatonga antsika hitebiteby , hiahiahy , hatahotra no itenenan’ny Tompo amiko sy aminao tahaka ny mpianatra fehizay koa hoe: « Matokia, fa Izaho ihany aza matahotra ».

Ny fanekentsika ny fombàn’ny Tompo sy ny fatokiantsika ny asany miaraka amintsika mandrakariva dia hahatonga olona maro ihany koa ho isan’ny olom-boavonjy , mandray fanavotana sy fanasitranana : »nihazakazaka tamin’izany tany rehetra izany (ny olona ) ary nitondra ny marary tamin’ny fandriana ho ahy amin’izay reny fa nitoerany . Ka sitrana izay rehetra nanendry Azy » . Manaiky ho isan’ny fitaovam-piasana mahomby eo anatrehan’i Jesoa Kristy ve ianao hitaona ny hafa ho amin’ny fahasitranana sy ny famonjena?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6