Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 8.1-21
1 Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe: 2 Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tat? amiko, sady tsy manan-kohanina izy; 3 koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany. 4 Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo at? an-efitra hahavoky ireto olona ireto! 5 Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito. 6 Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany. 7 Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa. 8 Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky. 9 Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy. 10 Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota. 11 Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra. 12 Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity. 13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita. 14 Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany. 15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda. 16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. 17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo? 18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo? 19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo. 20 Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. 21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 8.1-21

Mampahatsiaro antsika i Jesoa Kristy eto fa rehefa difotra , variana amina toe-javatra iray ny olona dia manadino na dia izay efa fahasoavana noraisiny , na ny asan’ Andriamanitra teo anatrehany aza… . »mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo » (and21), tsy takany ny Tenin’ Andriamanitra, adinony fa eo i Jesoa sy ny asany mahagaga.

Mampandini-tena antsika kristiana , na ny fiangonana izao teny izao fa tsy ny ara-panahy ihany no nisahiranan’ny Tompo fa ny maha-olona feno (onena ireo vahoaka noana nanara-dia), tsy tokony ho variana amin’ny toriteny , fampianarana …izany isika fa hijery manokana koa ny manahirana ny hafa (sakafo, fianaran’ny ankizy, fitsaboana…).

Nanahy ny mpianatra teo anoloan’ny iraka nomen’ny Tompo azy hamahanana ireo vahoaka (and4). Nampihariharian’i Jesoa anefa eto sady nampahatsiaroviny indray fa naniraka antsika Izy hanaiky hanolotra izay eo an-tànantsika . Ny faneken’ny tsirairay tokoa mantsy hanome izay ananany no fiasam-pamonjena, fanampiana, famahana olana ny hafa :  » ny mofo dimy no novakiko ho an’ny dimy arivo , roa ambin’ny folo (ambiny) « fito sobiky« . Meteza àry hanolotra ho an’ny asan’ Andriamanitra » .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6