Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 8.22-38
22 Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba. 23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao? 24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. 25 Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. 26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna. 27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho? 28 Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany. 29 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. 30 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona. 31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy. 32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy. 33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. 34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. 35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. 36 Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? 37 Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? 38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 8.22-38

Miasa mandrakariva i Jesoa Kristy amin’ny toerana izay alehany . Rehefa tonga tao Betsaida Izy dia : »nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesoa ka nangataka taminy hanendry ilay jamba . Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna , ary rehefa nororany ny masony , ka napetrany taminy ny tànany dia nanontaniany hoe izy : mahita zavatra va ianao? ».

Nahiratra ary nahita tsara ralehilahy rehefa niasan’ny Tompo , ka nasainy nody avy hatrany tany an-tranony . Tsy navelany hilazalaza tao an-tanàna izy.

Na dia efa niasa , nanasitrana, niara-niaina tamin’ny sokajin’olona maro toy
izany aza anefa i Jesoa Kristy dia maro no tsy nahafantatra , tsy nino
Azy. »Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?« . Samy nanana ny
valitenin’ny olona tafavory teo : »Jaona mpanao batisa , Elia anankiray
amin’ny mpaminany. »

Maro isika no toy ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ary mpianatry ny Tompo ireto koa.Na dia manao zava-mahagaga isanandro eo amin’ny fiainantsika aza i Jesoa Kristy dia toa adinontsika fa hay teo Izy no miasa… Manontany antsika àry ny Tompo eto : » Ataonao ho iza moa Aho ? » . Ho sahy hiteny toa an’i Petera ve isika hoe: « Ianao no Kristy » . manatrika antsika hatrany ny Tompo .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6