Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 14.1-16
1 Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy. 2 Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka. 3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka. 4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao? 5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo. 6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. 7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. 8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy. 9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy. 10 Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy. 11 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy. 12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? 13 Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. 14 Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? 15 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika. 16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 14.1-16

Endri-panoloran-tena vitsivitsy no asehon’ny Soratra masina eto handinihantsika tena koa:

-Simona boka : Mpanota izy raha ny fijerin’ny mpiara-monina , nefa nampiantrano sy nampisakafo , toy ny niaro an’i Jesoa izy ao anatin’izao fotoana nitadiavan’ny lohan’ny mpisorona nisambotra Azy izao « …hamonoany Azy« 

Ny vehivavy anankiray : Nahafoy « tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda sarobidy, …denaria telonjato » mitentina 900 000 ariary eo ho eo , nanosorana ny Tompo .

Ny mpianany : Nila raharaha , asa , iraka hatao amin’i Jesoa : « Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?« 

Jodasy Iskariota : Nivarotra na namadika an’i Jesoa tamin’ny lohan’ny mpisorona .

Ny tompontrano : (idiran’ilay lehilahy mitondra siny feno rano) : « hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara » . Nanome sy nahafoy trano efa voaomana ho amin’ny fanasana , hisakafoanan’i Jesoa sy ny mpianany izy.

Izao àry ny fanontaniana anio : iza amin’ireo no ho modelinao ka handraisanao ny fahaterahan’ny Mpamonjy rahampitso?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6