Fandalinana ny BokyJEREMIA
Mofonaina anio: Talata, faha 12 Novambra 2019
Jeremia 34,8 - 22
8 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy, 9 mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony. 10 Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka. 11 Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray. 12 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe: 13 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe: 14 Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny. 15 Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako; 16 kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin*'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.[Na: ho fampangovitana] 18 Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny tapany izy, 19 eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely, 20 dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny. 21 Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo. 22 Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.Jeremia 34.8-22
Ratsy toetra loatra ireto Israely ireto satria :
1-Manome tsy foifoy :
Izany no azo ilazana ny mpanapaka teo amin’Israely sy ny
vahoaka . Didy mila arahin’izy ireo
ny fanafahana izay rehetra babo , notanana nandritra ny enintaona mialohan’ny taona fahafito . (Eks 21.2-6).
Nanaiky hampihatra izany ny mpanapaka sy ny vahoaka , nefa dia naveriny indray
ireo andevo ireo hanompo azy tato aoriana. I Jesoa dia nanameloka ny fomba
fisainana toy izany , ka nilaza hoe : « Fa aoka ny teninareo ho eny , eny ; tsia , tsia , fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy »
(Mat 5.37).
Hitan’ Andriamanitra anefa izany ka loza fa :
2-Manandevo ka tonga andevo :
Nahatezitra an’ Andriamanitra ny fhetsiky ny mpitondra sy ny vahoaka. Toa naka an’ Andriamanitra ho
vavolombelona hiampanga azy izy ireo
. Nivadi-panekena izy ka dia : ho resim-pahavalo izy , ny
voro-manidina no hihinana ny fatiny, hiverina
handrava ny tanànany sy haka azy
ho babo indray ny Babyloniana . Tandremo
fa « Andriamanitra tsy azo
vazivaziana , fa izay afafin’ny
olona no hojinjany » (Gal
6.7 ).
« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra » Boky faha-6