Fandalinana ny Boky SALAMO
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 43
1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.Fandalinana ny Boky SALAMO
Salamo 43
Hetaheta lalina ho any amin’ny Tempoly
Eto dia mbola mitohy ny alahelon’ny Zanak’ Israely ny amin’ny ataon’ny fahavalony , ny tsy fahafahany mankany amin’ny Tempoly . Izany hoe : raha mbola voageja ny olona dia tsy afaka hidera an’ Andriamanitra mihitsy izy . Fahoriana sy fitolokoana no vokatr’izany. Raha mbola teo amin’ny fahafahana ny Zanak’ Israely dia nandika ny lalàn’i Jehovah . Rehefa lasan-ko babo izy ireo vao nahatsapa fa hafa ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra ka dia naniry sy nanantena fatratra ny mbola hanana izany fiainana izany indray rehefa tafaverina avy any am-pahababoana (and4).
« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra »Boky faha-7