Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 12.9-21
9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. 13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 12.9-21
Andriamanitry ny Voninahitra izay mitaona ny mpianakavin’ny finoana amin’ny fifanomezam-boninahitra ny Andriamanintsika (and10).
Toe-piainana voamariky ny fitiavana
Tsy natao hifanivaiva ny samy kristiana . Mazava ny safidy apetraka ao anatin’izany : mifikitra amin’ny tsara ary mankahala ny ratsy (and10). Ny fanantenana iombonana no faneva enti- mifandray ao anatin’ny fifaliana . Eny ,fa na dia mety hisy aza ny fahoriana dia mahavita miaritra izany ny mpino fa tsy miferinaina na manamelo-tena , fa vao mainka aza mitoetra ao amin’ny fanahy mivavaka ary feno fisaorana (and 12) .
Mivonona amin’izay mety ho fanenjehana
Tsy zava-baovao eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fanenjehana . Raha tojo izany isika , fisaorana fa tsy fanozonana no asetry izany (and 14) . Tsy adino ny firaisana aina amin’ny hafa , na an-kasoavana io na an-karatsiana (and15) . Olona liam-pihavanana sy nantsoina ho amin’ny fahamendrehana isika (and17) , noho zany tsy mpamaly ratsy satria an’ny Tompo ny famaliana.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8