Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 14,19 - 15,13
19 Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. 20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana. 21 Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina* ny rahalahinao. [* Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy] 22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny. 23 Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana. 1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. 2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy. 3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9). 4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina. 5 Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy, 6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. 7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra. [* Na: (antsika)] 8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana, 9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49). 10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43). 11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). 12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10). 13 Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 14.19-23 / 15. 1-13

Ezaka andrasana amin’ny mpino mandrakariva ny fikatsahana ny fiadanana sy ny fifampandrosoana .

Fatra andrefesana ny toe-pinoana

Ijoroanao eo anatrehan’ Andriamanitra ve izay inoanao? Tsy vato mahasolafaka ho an’ny hafa ve ny fitondrantena avy amin’izany ? Marina fa ahy ny finoako , nefa iainako eo anivon’ny mpiray fanantenana izany . Koa amin’izany , na fitafy , na fihinana na fisotro na fiteny dia katsahina mandrakariva izay hampandroso ny hafa.Ny toe-pinoana mampiditra ny hafa amin’ny fiadanana no marina sady anksitrahana (and23) .

Ny firaisam-pinoana ao amin’i Kristy

Ny Fiangonana mandroso dia izay miray fo , saina , fanahy amin’ny fankalazana ny Ray (and 5) . Tsy mitady izay iavahako (tombony) amin’ny hafa aho amin’ny seham-panompoana iombonana eo anivon’ny Fiangonana fa mikatsaka kosa ny fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiombonana masina izay ifampitondrana ny fahalemen’ny hafa (and1) . Izany toe-panahy izany no hahataona ny tsy mpino (and9) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-8