Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 2.17-29
17 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao 18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [* Na: samy hafa] 19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina, 20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: 21 ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? 22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao? 23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna? 24 Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3] 25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza. 26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza? 27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao? 28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; 29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 2.17-29

Ny fahotan’ny Jentilisa no noresahina tao amin’ny Rom 1.18-32 . Ny fahotan’ny Jiosy kosa no ambara eto .Ny tsy fahatanterahana ny lalàna no fototry ny fahotan’ny Jiosy , izay ampiarahiny amin’ireto zavatra roa ireto:

1-Mpitari-bato vilambava (and17-24)

Hafa ny zavatra ampianariny , hafa ny zavatra ataony . Ny zavatra andrarany olona ihany no ataony araka ny voalaza ao amin’ny and 21-23 . Eto indray ny zavatra ampianarina ny hafa , tsy tanterahina . Izany no atao hoe: »mpitari-bato vilambava, hafa ny tondroin’ny molotra , hafa ny ataon’ny tànana »

2-Mitoky amin’ny fombafomba (and25-29)

Tsy ny lalàna ihany no nianteheran’ny Jiosy aminn’y hevitra diso , fa fombafomba toy ny famorana koa izy ireo . Tsy diso ho azy anefa ny fanatanterahana ny famorana , fa tsy maintsy ampiarahina aminn’y fanatanterahana ny lalàna araka ny voalalza ao amin’ny and 25 : « Fa ny famorana mahasoa tokoa , raha mankato ny lalàna kosa ianao , dia efa tonga toy ny tsy voafora , na dia efa voafora aza » . Mbola tsara lavitra ny olona voafora nefa tsy mankato ny lalàna aza ny olona tsy voafora nefa mankato ny fitsipiky ny lalàna(and26).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8