Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 3.1-18
1 Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? 2 Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny. 3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra? 4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina] 5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - 6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? 7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny. 9 Ahoana ary? Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [** Gr. Grika] 10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; 11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. 12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3). 13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3); 14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7); 15 Ny tongony mimaona handatsa-drà; 16 Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany; 17 Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8); 18 Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 3.1-18
Mitohy eto ny resaka momba ny Jiosy :
1-Tsy manova ny fahamarinan’ Andriamanitra ny fahadisoan’ny Jiosy (and1-8)
Voalaza ao amin’ny and 3 fa misy tsy ,ahatoky ny Jiosy . Hoy indrindra ny Soratra Masina ao amin’io and 3 io DIEM « Fa ahoana kosa ny amin’izay tsy nahatoky tamin’ireo Jiosy ireo ? Na dia tsy nahatoky nefa aza anefa ny Jiosy dia tsy manova ny fahamarinan’ Andriamanitra izany. Mahatoky hatrany Andriamanitra na dia tsy mahatoky aza ny olona. Hoy ny and 3b-4 DIEM « noho ireny tsy nahatoky ireny ve no hampiova an’ Andriamanitra ho tsy mahatoky ? Sanatria! fa tsy maintsy azo antoka Andriamanitra na dia mpandainga avokoa aza ny olona » .
2-Mitovy ami’ny olona rehetra ihany ny Jiosy na dia manana ny lalàna aza(and 9-18)
Izao no voalaza ao aminn’y and 9 DIEM « Ahoana àry? Mana-tombony amin’ny hafa firenena tokoa ve isika Jiosy? Tsia dia tsia ! Efa voalazako fa samy eo ambany fahefan’ny fahotana avokoa na Jiosy na hafa firenena » . Mazava io fehezanteny io : mitovy amin’ny olona rehetra ihany ny Jiosy , na dia manana ny lalàna aza. Asehon’ny Soratra masina eto fa fahefana iray mifehy ny olombelona rehetra ny fahotana. Tanisaina eo amin’ny and 10-18 ny antsipirihan’ny fahotana ataon’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8