Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 4.1-12
1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo? 2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra. 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). 4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. 6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe: 7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. 8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2). 9 Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama. 10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora. 11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana, 12 ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 4.1-12
Abrahama no ohatra iray omena antsika eto ny aminn’y oona nohamarinina noho ny finoana .
1-Inona no tombotsoa azony noho ny finoany ?
-Nahazo fanamarinana i Abrahama satria nino an’ Andriamanitra (and3) . « Ary Abrahama nino an ‘Andriamanitra ka dia nisaina ho fahamarinany izany » (Gen 15.6) . Hoy ny and 9 « fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama »
-Nahazo fahasambarana i Abrahama.
Ilay fanamarinana na famonjena azony indray no niteraka fahasambarana ho azy . Tsy vokatry ny asa natao no hahazoana fahasambarana , fa ny finoana miteraka famelankeloka (and 6).
-Lasa Rain’ny mino i Abrahama (and 11-12)
2-Inona no hevitry ny asa?
–Mampirehareha ny asa. Mitarika ny olona hirehareha ny fahavitana asa anankiray (and 2)
-Trosa ny asa , ka lasa karama no azo aminy fa tsy fanomezana (and4)DIEM.
–Famantarana ny fanamarinana ny asa . Ny famorana no ataontsika hoe: asa eto . Famantarana , tombokase no ilazan’ny Soratra masina azy eo amin’ny and 11.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8