Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 5.12-21
12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; 13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna; 14 fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy. 15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa. 16 Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana. 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. 20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, 21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 5.12-21

Fampitahana lalina no ataon’i Paoly eto.

1-Ny fiavian’ny fahotana : i Adama (and12-14)

Avy amin’i Adama no nidiran’ny fahotana ho tonga tamin’ny olombelona rehetra hoy ny and 12-14.

2-Ny fiavian’ny fahasoavana : i Jesoa Kristy (and15)

Avy amin’i Jesoa Kristy kosa no nidiran’ny fahasoavana ho amin’ny olombelona rehetra , hoy ny and 15b

3-Ny vokatry ny fahotana (and16-17)

Nahatonga fanamelohana ho an’ny besinimaro ny fahotana nataon’ny olona anankiray (and16) . Izy ihany koa no nahatonga ny fahafatesana hanjaka eo amin’ny olombelona rehetra (and17).

4-Ny vokatry ny fahasoavana (and16-17)

Voavela tanteraka ny fahadisoan’ny olombelona rehetra , vao mainka velomin’ Andriamanitra ary ampanjakainy ny olombelona rehetra (and17) . ireo kosa no vokatry ny fahasoavana izay nanamarinan’ny Tompo ny olona tamin’ny alalan’ i Jesoa Kristy .

5-Ny fihoaran’ny asa sy vokatry ny fahasoavana oharina amin’ny asa sy vokatry ny fahotana (and 20-21)

Na dia nampitomboin’ny fisian’ny lalàna aza ny fahotana (and20), dia tsy mbola mahaleo ny fahasoavana izany , hoy ny and 20.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8