Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 6.1-14
1 [Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena] 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota. 8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan'] 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 6.1-14

Hoy ny and 1-2 : « inona àry no holazaintsika ? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana? Sanatria izany ! « 

1-Tsy mpanompon’ ny fahotana intsony isika satria efa namono azy niaraka tamin’i Jesoa Kristy .

Nandresy sy namono ny fahotana no anisan’ny antony nahafatesan’i Jesoa Kristy . Ary rehefa nino an’i Jesoa isika ka natao batisa , dia tsy i Jesoa irery no maty , fa isika koa miombona amin’ny fahafatesany (and 1-4,6-7) . Araka izany , tsy manompo ny fahotana intsony isika satria efa hamono azy. Koa satria efa novonoina ny fahotana , dia tsy manana fahefana hampanompo antsika intsony izy.

2-Velona ho an’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy isika satria efa novelominy niaraka taminy .

Mifampiankina ny fahafatesana sy ny fahavelomana ao amin’i Jesoa Kristy . Rehefa maty noho ny ota niaraka taminy isika , dia tsy maintsy mitsangana velona miaraka Aminy koa. Tsy misy an’izany hoe : maty fotsiny nefa tsy velona avy eo raha toa ka tena maty niaraka taminy . Hoy ny and 4 « Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika , mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamn’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao » .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8