Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 16.1-16
1 [Famangiana sy teny farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana at? Kenkrea, lazaiko tsara aminareo, 2 mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa. 3 Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy; 4 izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa. 5 Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy. 6 Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo. 7 Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako. 8 Veloma amin'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo. 9 Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako. 10 Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo. 11 Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo. 12 Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo. 13 Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko. 14 Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy. 15 Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy. 16 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 16.1-16
Tena zava-dehibe ary ilaina amin’ny fampandrosoana ny Fiangonan ny fifanolorana tànana eo aminn’y samy mpino.
Fantaro tsara ny olona hiara-miasa
Na izany aza dia izay fantatra sy voazaha toetra no atolotra , toy izao hanoloran’i Paoly an’i Foiby diakon’ny Fiangonana Kenkrea hanampy ny Fiangonan tao Roma izao (and1-2).
Manan-danja ny fanolorana sy ny fandraisana mpanompon’ Andriamanitra
Tsy maivana ny fonjam-panolorana nametrahan’i Paoly an’i Foiby , ny maha- diakona azy , ny Fiangonana niaviany , ny seham-panompoana manavanana azy , ny fandraisana sy ny tolo-tànana andrasan’i Paoly avy amin’ny mpino Romana hatao aminy (and1-2) .
Fifamatorana am-po eo amin’ny fiaraha-manompo
Antoky ny fandrosoan’ny asan’ Andriamanitra ny fifamatorana am-po eo amin’ny samy mpiray fanantenana . Hita tokoa izany teo amin’i Paoly sy ny kristiana tao Roma (and 3-16). Mba ho toy izany isika!
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8