Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 7.1-13
1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalĂ na aho), fa ny lalĂ na dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy? 2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalĂ na ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalĂ n'ny lahy izy. 3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalĂ na izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. 4 Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalĂ na noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra. 5 Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalĂ na, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana. 6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalĂ na isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra. 7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalĂ na? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalĂ na, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalĂ na no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17). 8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalĂ na. 9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalĂ na fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. 10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa. 11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy. 12 Ka dia masina tokoa ny lalĂ na, ary masina ny didy sady marina no tsara. 13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalĂ na.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 7.1-13

Fahamarinana roa no aseho eto:

1-Efa tapaka tanteraka ny fifamatorantsika amin’ny fahotana (and 6)

Amin’ny fomba hafa indray no hanazavan’ny Soratra Masina , fa efa tsy manankery amintsika intsony ny fahotana . oharina amin’ny mpivady tafasaraka noho ny fahafatesana , isika kristiana sy ny fahotana (and 2-4). Nisaraka tamin’ny fahotana , izay vady taloha isika , ka lasa vadin’i Jesoa Kristy. Tsy azo atao araka izany ny manao tan-droa , sady mbola fehezin’ny ota no tapahin’i Jesoa Kristy . Raha toa ka misaraka tanteraka amin’ny fahotana isika , dia mahavita asa tsara ho an’ Andriamanitra (and 4).

2-Tsara ny lalĂ na saingy nohararaotin’ny fahotana (and 7-13)

Maneho ny maha- mpanota antsika ny lalĂ na . Hoy ny DIEM : »inona no holazaintsika ? Fahotana ve ny lalĂ na ? Sanatria izany ! nefa tsy ho nahafantatra ny fotana aho raha tsy tamin’ny alalan’ny lalĂ na « . Nohararaotin’ny fahotana anefa izany , ka lasa fitaovana manetsika ny ota . Hoy ny and 8:  » Fa io didy io dia nentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko , fa maty ny ota , raha tsy misy lalĂ na » . Ary hoy ny and11 DIEM : »nohararaotin’ny fahotana ny didy (lalĂ na) hamitahana ahy sy hamonoana ahy » .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8