Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 8.22-30
22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana. 26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. 27 Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina. 28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. 29 satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. 30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 8.22-30

Ny herin’ny ota niteraka fahalovana ho an’ny zavaboahary rehetra dia mampiseho sy mampitaraina azy . Eny fa na dia isika izay efa nandray ny Fanahy Masina aza dia eo am-piandrandrana fatratra ilay famotsorana farany amin’ny fiavian’ny Tompo indray (and22,23) .

Ny fanantenana kristiana

Manantena isika fa ny famonjena antsika izay nanalana ny mpino tao amin’ny fahaverezana ho amin’ny fiainana mandrakizay dia efa vitan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana . Manantena koa isika fa ho afaka tanteraka amin’ny herin’ny ota rehefa ho avy indray i Kristy hanongotra ny ota tsy ho isan’ny natiora hanapaka intsony ny zavaboahary rehetra (and 24,25) .

Mamonjy amin’ny fahalemena ny Fanahy Masina

Indraindray tsy vitantsika ny mivavaka rehefa tojo ady sarotra . Eo indrindra ny Fanahy Masina no manampy antsika amin’ny fitarainana ataony mba hanavotana antsika amin’ny andro mahory . Mila maharitra isika fa izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8