Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 8.31-39
31 Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? 33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. 34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. 35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22). 37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, 39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 8.31-39
Na toy inona fahalemena mbola mamaka sy maningotra ny mpino , ampy hiaro azy ny fombàn’ Andriamanitra . Ao amin’ i Kristy ny fiarovana feno ho an’ny mpino nomen’ Andriamanitra . Tena feno ny fiarovana ananan’ny kristiana . Tsy misy herin’ilay ratsy ka hanapaka azy , satria nampombain’ Andriamanitra tamin’ny fanomezany antsika an’i Jesoa ny zavatra rehetra momba ny fanavotana sy ny famonjena amin’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy (and31,32) .
Mifona ho antsika Kristy eo ankavanan’ny Ray
Norombahin’i Jesoa Kristy ary nosoloiny ho toeram-panamarinana ny mpino ny fitoerana teo ankavanan’ny Ray , raha fiampangana lavareny nataon’i satana sy devoly ny mpino izany teo aloha (vakio Apo 12.10).
Mitondra ny fahafatesan’i Kristy mandrakariva ny mpino ary miaina araka ny fombam-panahy amin’ny alalany . Noho izany , tsy misy hery na fanapahana ka haharesy azy satria voatahiry sy voafaritra mialoha ao amin’ny Tompo ny fandreseny (and37-39).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8