Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 9.1-18
1 [Ny amin'ny nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako, 2 fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko. 3 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona* ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema] 4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana; 5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra] 6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely. 7 Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12). 8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka. 9 Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10). 10 Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka razantsika; 11 fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso), 12 dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23); 13 araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3). 14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany! 15 Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19). 16 Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra. 17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16). 18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 9.1-18
Tsy lovaina ny maha-zanak’ Andriamanitra . Toy izany koa ny famonjena . Tsy izay Israelita no vahoakan’ Andriamanitra fa izay mankato Azy . Ny maha- zanak’i Abrahama dia ny toe-po mino sy mankato an’ Andriamanitra (and1-6) ;
Ny fenitry ny fifidianana ataon’ Andriamanitra
Ny finoana an’ Andriamanitra no maha zanaky ny teny fikasana antsika . Tsy avy amin’ny asa anefa izany fa avy amin’ny fifidianana ataon’ Andriamanitra (and11) izay asehony araka ny fiantsoana iantsoany izay nofinidiny (and13,15).
Na dia ny hamafisam-pon’i Farao aza dia ninian’ Andriamanitra napetraka mba hanehoany ny fifidianany ny vahoaka Israely (and17). Mampahafantatra ny tenany amin’ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny asa nanavotany ny Israely ho afaka tamin’ny Egyptiana Andriamanitra.M amindra fo sy miantra amin’izay tiany hamindrany fo Andriamanitra. Marina Izy amin’ny fifidianany (and18)