Fandalinana ny Boky Marka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Aprily 2019

Fandalinana ny Boky Marka

Marka 2.1-17
1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, 2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. 3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. 4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa. 5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3] 8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? 9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? 10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana et? ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): 11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. 13 Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy. 14 Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.[*Izahao Mat. 9.9] 15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy. 16 Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo*, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![*Na:Ary ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo] 17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota

Fandalinana ny Boky Marka

Marka 2.1-17

Nandao ny efitr’i Galilia i Jesoa dia nankany amin’ny tanànan’i Kapernaomy indray.

1-Nirohotra nanatona an’i Jesoa ny olona

Efa nalaza tao Kapernaomy i Jesoa ka hitan’ny olona foana izay nalehany(1.28). Ny fampianarany feno fahefana sy ny fansitranany no nampalaza an’i Jeso ka nirohotan’ny olona nanatona Azy . Nataony lahimatoan’asa anefa na izany aza ny nitoriteny ho an’ireo vahoaka ireo(and2) .

Finoana no nilanjan’izy efa-dahy ilay marary nanatona an’i Jesoa . Finoana no naneken’ilay malemy nolanjalanjain’izy efa-dahy nisedra ny sarotra rehetra nanatona an’i Jesoa (and4). Ny finoana nananan’izy ireo no nanamarinan’i Jesoa ilay marary ka nitenenany taminy hoe: »Anaka , voavela ny helokao« (and5). Mahadio ny otanao rehetra i Jesoa fa manatona Azy amin’ny finoana .

2-Nantsoin’i Jesoa ho isan’ny mpianatra i Levy

Nankeny an-dranomasina indray i Jesoa ary dia nirohotra nanaraka Azy ny vahoaka. Teny no niantsoany ireo mpianany 4 voalohany (1.17,20) . Teo amperinasa koa i Levy no nantsoin’i Jesoa (and14).Tsy azoazon’ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesoa « niara-nipetraka tamin’ny mpanota » (and16) . ho an’ny mpanota mihitsy no nanirahana Azy . Niady ho an’ireo Izy (and18). Ho anao koa no nahatongavany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra‘ Boky faha-6