Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Oktobra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 1.1-19
1 [Ny niantsoana an'i Jeremia ho mpaminany, sy ny nanambarana taminy izay ho raharahany] Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina, 2 izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany, 3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy. 4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly. 11 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro* no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe "hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany] 12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. 13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany. 14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany. 15 Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. 16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany. 17 Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. 18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. 19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 1.1-19
Ny bokin’i Jeremia dia mitantara amintsika ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nanjakan’ireo mpanjaka faramparany tany Joda hatramin’ny fahababoana (and1-3). Manomboka amin’ny fiantsoana an’i Jeremia izany .
1-Tsy takatry ny saina ny fiantsoan’ny Tompo
Niantso an’i Jeremia Izy ary lazainy fa efa hatrany am-bohoka izy no efa fantatra sy nofidiny . Any ivelan’ny fahatakarantsika amin’ny maha- olombelona izany .
2-Asa mampidi-doza no niantsoan’ny Tompo
Nantsoiny i Jeremia ho « mpaminany ho an’ny firenena » handrodana inefatra vao hanorina sy hamboly . Asa mafy re izany ! Ary dia hiadian’ny olona (and19) izy amin’izany . Ekena fa tsy mora ny asan’ny Tompo .
3-Tsy mahagaga raha misy ny nandà ny antson’ny Tompo
Nataon’i Jeremia avokoa izao fialan-tsiny izao : « tsy mahay mandahan-teny aho fa mbola zaza aho... « Moa tsy fihetsika efa nataon-dry i Mosesy (Eks3.4) sy i Gideona (Mpits 6) koa ve ny toy izany ? Ary isika koa!
6- Saingy tsy misaraka amin’ny fombàny ny fiantsoany
« Aza matahotra azy ianao, fa momba anao Aho , hoy i Jehovah »(and8) . Io ihany no ianteherana . Ary ny hany andrasana amin’izay antsoina dia ny fanahin’ny fankatoavana : « handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao , ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao « (and7) . Koa mahereza ry olom-boaantso . Tena momba anao i JESOA !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6