Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 2.19-37
19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 20 Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao. 21 Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa? 22 Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra* eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto] 23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany, 24 Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy. 25 Aza esorina ny kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho. 26 Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny, 27 Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay. 28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao. 29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah. 30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana* ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana] 31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah] 32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy. 33 Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao*![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao] 34 Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany. 35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho. 36 Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria. 37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 2.19-37

Mampibebaka antsika ny tenin’ny Tompo

1-Ny haratsianao no hanafaizana anao , ary ny fiodinanao no hananarana anao  » (and19). Tsy mijery fotsiny ny hadalantsika ny Tompo fa manafay Izy . Zavatra iray loha no manery Azy dia ny fitiavany antsika .

2-« Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra , dia rantsana tsara avokoa , ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?  » (and21). Zava-mahagaga miverimberina amin’ny ambaran’ny Tompo ity : efa tena nanao izay hahasoa isika no nivadika ho ratsy ? Efa nomeny i Jesoa , ilay foto-boaloboka hirafetantsika (Jao 15.1-8). Nahoana no niala taminy isika ?

3-Ry taranaka , dinihonareo ny Tenin’ i Jehovah« (and31)

Ny fiverenana amin’ny Tenin’ Andriamanitra no hany hahatonga saina antsika ka hisian’ny fibebahana marina ho famonjena antsika . Hevero indray ny tena anjara toeran’ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao

4-Foana ny namelezako ny zanakareo , fa tsy zaka nanarina izy » (and30). Mafy fo sy mafy loha , tsy laitra anarina : izany no toetrantsika . Ataon’ny Tompo ny teny sy ny famaizana , fa tsy mety miova ho tsara isika .

5-« nefa hoy ianao: tsy manan-tsiny aho…tsy nanota aho » (and35). Fanamarinan-tena re izany ! Na dia efa hita miharihary izao aza ny fahadisoantsika , dia mbola hanamari-tena ho tsy manan-tsiny ihany ve isika?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6