Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 13.1-27
1 [Ny hampietrena ny avonavon'ny Joda] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano. 2 Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko. 3 Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe: 4 Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy. 5 Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy. 6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany. 7 Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony. 8 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: 9 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema. 10 Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony. 11 Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy. 12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra? 13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony* ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.[Heb. feno] 14 Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy. 15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. 16 Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito. 17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah. 18 Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy. 19 Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. 20 Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy? 21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka? 22 Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao. 23 Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda* va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra] 24 Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra. 25 Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga. 26 Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao. 27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao*, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao v. 8]

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 13.1-27

Fihetsika vaovao sy teny vaovao indray no eto:

1-Fihetsika ny amin’ilay fehikibo(and 1-11)

Mampanao fihetsika toy izao ny Tompo ho enti-mampita ny hafatra ampitondrainy ny mpaminaniny. Eto, ny fehikibo dia milaza ny fifamatoram-piainan’Israely amin’ny Tompo . Indrisy anefa fa noho ny fahotan’Israely dia rava izany . »Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny valahan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko , hoy i Jehovah , mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny  » (and11). Ary ny fifandraisako amin’i Jesoa , mba manao ahoana?

2-Tandremo ny fiavonavonana

Ny fiavonavonana dia ny tsy fihainoana ny Tenin’ ny Tompo ka hanaovana bemarenina amin’izay lazainy , araka ilay hoe: « kanjo tsy nety nihaino izy «  (and11). Ny fiavonavonana dia ny tsy fanomezana voninahitra ny Tompo , araka ny antso hoe: « manomeza voninahitra an’i Jehovah Andriamanitrareo » (and16) . Ny fiavonavonana dia hiteraka fahavoazana eo amin’ny fifandraisan’ny samy mpianakavy (and14) , hampitomany ny mpanompon’ Andriamanitra (and17), hampietry ny mpitondra fanjakana (and18-19) ary hahafa-baraka ny firenena (and 20-27) . Tandremo ny fiavonavonana fa toetran’i satana izany ( Ezek 28.1-2).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6