Fandalinana ny Boky Jeremia
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Oktobra 2019
Fandalinana ny Boky Jeremia
Jeremia 22.13-30
13 Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany, 14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena. 15 Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy. 16 Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah. 17 Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny. 18 Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny! 19 Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema. 20 Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao. 21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko. 22 Ny mpitondra* anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry ondry] 23 Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao*, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao] 24 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao, 25 Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana. 26 Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo. 27 Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany. 28 Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany? 29 Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah. 30 Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsonyFandalinana ny Boky Jeremia
Jeremia 22.13-30
Mitohy ny torohevitry ny Tompo nampitondrainy ny mpaminany :
1-Atsaharo ny filan-karena (and17)
Noho io fitiavan-karena io dia voahosihosy ny fahamarinana , ny zon’olombelona , ny ain’olombelona. Very ny fitiavan-tanindrazana fa ny ho an’ny fianakavian’ny mpitondra no imasoany . Ao anatin’ny firenena mahantra fadiranovana , misy vahoaka mihohoka amin’ny tany ; ny mpitondra kosa manana tranobe maro, volabe any amin’ny banky , mitavana ny harem-pirenena , misosa amin’ny fiara lafo vidy , eny manontany no ory ara-bakiteny , tsy mahalala ny fahantram-bahoaka . Atsaharo izany , hoy ny Tompo .
2-Ry tany , ry tany , ry tany ! Henoy ny Tenin’i Jehovah »(and29)
Izany no fehiny : henoy ny Tenin’ny Tompo fa izany ihany no ody faty, na ho an’ny tenan’ny mpitondra , na ho an’ny vahoaka manontolo . Fa efa tsy afenin’ny Tompo ange fa lazainy mazava avokoa ny loza samihafa ho avy raha maditra e! Santionan’izany ny hoe: »halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihana sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema« (and19). Mahamenatra loatra izany !
Mivavaha mba hanananantsika mpitondra fanjakana tsy hogejain’ny politika maloto ka sady hanimba tena no hanapotika firenena. Mba hihaino ny feon’ Andriamanitra izy ka ho fantsom-pitahiana.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6