Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Oktobra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 26.11-24
11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo. 12 Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity. 13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo. 14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. 15 Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo. 16 Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika. 17 Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe: 18 Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12). 19 Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin'ny tenantsika. 20 Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa. 21 Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta; 22 ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta. 23 Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka. 24 Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 26.11-24
Hita taratra eto fa :
1-Mahazo antoka
ny fiantsoana azy i Jeremia :
I Jehovah no naniraka ahy .Faharesen-dahatra izany satria tena ny sitrapon’ Andriamanitra no ambarany . Ianao dia mila miteny tahaka an’i Paoly hoe : « Fantatro izay inoako » (1 Tim 1.12)
2-Mahalala tsara
ny toetran’ Andriamanitra i Jeremia :
Tezitra Andriamanitra noho ny ditran’i Israely , saingy mampihevitra ny olona ny
mpaminany fa raha miova toetra
ireo dia hanenenany ny loza nampilazainy
an’i Jeremia . Tokony handini-tena isika ,fa tsy avy hiantso ny marina i Jesoa
,fa ny mpanota hibebaka (Lio 5.32).
3-Mahazo famonjena ny ainy avy amin’ Andriamanitra i
Jeremia :
Niaro an’i Jeremia i Ahikama mba tsy hanolorana azy hovonoin’ny
vahoaka . Fanaon’ Andriamanitra hatrany izany fiarovana ny olony izany , ary
manome toky mandrakariva izy fa
miandany amin’ny olony rahateo. Nataony tamin’i Jeremia ,ary mbola
hainy atao amin’ny Fiangonany hatrany , ary mbola hainy atao amin’ny
Fiangonany hatrany . Itokio ny Rom 8.37/Mat
10.28-31 .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra»Boky faha-6