Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 28 .1-17
1 [Ny faminanian'i Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy] Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 28 .1-17

Mila mahafantatra tsara isika manoloana ny fisian’ny mpaminany sandoka sy ny tena izy :

1-Tandremo fa misy ny mpaminany sandoka :

Hanania dia mpaminany politika izay te-hampifaly fotsiny ny mpitondra sy ny vahoaka . Ny mifanohitra amin’ny filazana loza vokatry ny ota nataon’i Jeremia no nolazainy . Tandremo fa noho ny fitiavam-bola sy ny fanekena ny fanahin’ny demonia dia misy ireo mpaminany sandoka . Efa nampitandrina ny amin’izany i Jesoa sy ny Apostoly (Mat 24.24).

2-Ny fahatanterahan’ny teny no manamarika ny maha-mpaminanin’i Jehovah :

Mahamaika ny mpaminany sandoka ny hitory fiadanana. Tian’ny olona koa izany .Mampitandrina i Jeremia fa izay avy amin’i Jehovah ihany no ho tanteraka . Tena avahan’ Andriamanitra tokoa ny tena mpanompony (Mal 3.18).

3-Hovalian’ Andriamanitra ny mpaminany sandoka mitarika ny olona ho amin’ny ratsy.

Tonga ny faminaniana momba n’i Hanania . Amin’ity taona ity no hahafatesanao . Namoy aina noho ny faminaniana sandoka izy . Ka moa tsy voaozona tokoa izay olona matoky olona? (Jer 17.5).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6