Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 35.1-11
1 [Ny amin'ny Rekabita] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: 2 Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny. 3 Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra, 4 ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana. 5 Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo. 6 Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay; 7 ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo. 8 Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy; 9 ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay; 10 fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay. 11 Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 35.1-11

1-Mifady divay :

Faharesen-dahatra teo amin’i Jonadaba razamben’izy ireo izany (2 Mp 10.15-23), ary tena hainy ny nampita izany tamin’ireo taranany. Nambarany fa maha- ela velona izany (and7). Maneho hatrany ny Soratra masina fa ratsy ny toaka (Oha 20.1/ Isa 5.22/1Pet 4.3). Ampirisihany koa ianao mba hofenoina ny Fanahy (Efe 5.18). Ary aoka tsy hivary lavo amin’izany fa tsy handova ny fanjakan’ny lanitra ny mpimamo (Gal 5.21). Itaizao ny zanakao izany .

2-Mitoetra an-day :

Manana fitsipi-piaina tena hentitra tsy maintsy narahina ireto Rekabita ireto . Tsy mahazo manorina trano fa tsy maintsy tranolay no honenana. Tsy mahazo mamboly voaloboka na manana tanimboaloboka. Ho antsika kristiana , tsy ny fanarahana fomban-drazana befahatany no ilaina , fa mila mahatsiaro kosa isika fa mpitoetra an-day isika eto amin’ity tany ity . Izany hoe: vahiny ihany fa ny tena fonenantsika dia ny any an-danitra . Aoka tsy ho variana amin’ny fanaranam-pon’ny tany . Raiso àry ny fananarana : »fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny » (1 Pet 2.11)

 « Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6