Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 32.16-28/36-44
16 Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe: 17 Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. 18 Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany, 19 lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany, 20 dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao. 21 Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, 22 ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely. 23 Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao. 24 Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany. 25 Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna. 26 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe: 27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? 28 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 32.16-28/36-44

Ato amin’ny vavaka nataon’i Jeremia sy ny valiteny omen’i Jehovah no ahitana fa Andriamanitra miavaka izy:

1-Miavaka fa be famindrampo . Fohy dia fohy ny fotoana hanehoany fahatezerana fa zanaka sy ray fotsiny ,saingy taranaka arivo no hamindrany fo(and .18)

2.Miavaka fa lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny atao.Tena tsy misy fisainana mahaleo an’i Jehovah tokoa,ka Izy hatrany raisina ho mpanolo-tsaina.

3.Manara-maso ny fiainan-janak’olombelona,ka na avo fipetraka aza dia iva fijery.Mendrika ny hasoavina ve ianao?

4.Mahay fahagagana handresen-dahatra ny olony. Ary tsy mitsahatra izany, raha mbola tany koa ny tany.Matokia Azy.

5.Mandray ny olona ho Azy ka hokarakarainy. Ary ianao ve mandray Azy ho Andriamanitrao?

6.Manova ny olona ratsy ho tsara.

7.Mamboly fanekena mandrakizay amin’ny olona,ka manaiky ny hikarakara sy hanasoa azy ireo.

8.Mamerina ny Israely ho any amin’ny tany izay efa nianianany tamin’ny razany fa homeny azy,rehefa avy nanafay azy ireo,ka nitondra azy ho any am-pahababoana.Izany ka Andriamanitra !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6