Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 35.12-19
12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe: 13 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah. 14 To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo. 15 Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo. 16 Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy. 18 Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo, 19 dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 35.12-19

Ampitahaina amin’ny Rekabita ny firenen’i Joda:

1-Firenena mafy hatoka :

Nisahirana mihitsy i Jehovah satria lazaina fa nifoha maraina (and14) , naniraka mpaminany hananatra azy ireo , saingy tsy nety nihaino mihitsy izy ireo . Andriamanitra anefa no Rainy , ka tokony hankatoaviny tahaka ny nankatoavan’ny zanak’i Jonadaba ny hafatry ny rainy . Ho antsika ihany koa no mbola anontanian’ Andriamanitra hoe: « ny zanaka manaja ny rainy , ary ny mpanompo ny tompony . Koa raha Ray Aho , aiza àry izay hajako? ary raha Tompo Aho , aiza izay tahotra Ahy? (Malakia 1.6)

2-Firenena hofaizina :

Vokatry ny tsy fihainoan’i Joda ny fananarana samihafa natao azy ireo (mibebaha , ovay ny fomba fiaina, aza manompo sampy ) , dia hihatra amin’izy ireo ny famaizan’i Jehovah. Tena ho loza tokoa ny vokatry ny haniratsirana satria dia haka ny tanàna ny fahavalo , ary ho babo ny mponina . Ny Rekabita kosa nahazo teny fikasana mahafinaritra , satria voalaza fa hanompo an’i Jehovah sy hanana anjara amin’ny fanompoa-pivavahana ny taranany . Hotahiana tokoa ny taranaky ny marina (Sal 112.2/Oha 11.21).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6