Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 38.14-28
14 Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana. 15 Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona. 16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto. 17 Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao; 18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao. 19 Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana. 20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao. 21 Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy: 22 Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao. 23 Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo. 24 Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao. 25 Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao; 26 dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana. 27 Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha. 28 Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 38.14-28

Tahotra roa samihafa:

1-Matahotra an’ Andriamanitra i Jeremia:

Ny tahotra an’ Andriamanitra no manery an’i Jeremia tsy maintsy hilaza izay rehetra naseho taminy fa ho tanteraka eo amin’ny tanin’ny Joda sy ny mponina ao Jerosalema . Efa tena nitondrany ny mangidy izany , ary mahatonga ny mpiara-belona aminy hankahala azy . Tanteraka aminy mihitsy ilay tenin’i Jesoa hoe: « Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako » (Mar 13.13) . Tsy nampaninona azy izany , fa ny tahotra an’ Andriamanitra dia toky lehibe ho azy eo am-panaovana ny asany . Ary ianao?

2-Matahotra ny olona i Zedekia mpanjaka

Antokon’olona telo no atahorany dia ny Babyloniana, ny mpanapaka ary ireo vahoaka efa lasa babo mialoha tany Babylona. Na dia atoron’i Jeremia azy mazava aza ny làlana hahavelomany dia tsy sahy nanatanteraka izany izy noho ny tahotra . Ho marina aminy indray ilay teny hoe:  » ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny , ka miala amin’i Jehovah ny fony  » (Jer 17.5).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6