Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 40.11-16/ 41.1-10
11 Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy, 12 dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy. 13 Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa 14 ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama. 15 Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda? 16 Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 40.11-16/ 41.1-10

Marina mandrakariva ireto fomba ireto:

1-Mahery tsy maody , tsy ela velona :

Izany no azo ilazana an’i Gedalia . Efa nambara taminy fa mikendry ny hamono azy i Ismaela , saingy tsy nety nino izy . Mody namana i Ismaela , ary niray latabatra tamin’i Gedalia mihitsy , hanatanterahany ny teti-dratsiny ka namonoany azy . Toy izany i Jodasy , izay teo amin ‘ny fotoana fisakafoana farany niarahan’i Jesoa taminy no namadihany ny Tompo . Mila mailo isika , ary tsy amin’ny ara-nofo ihany fa amin’ny ara-panahy koa. Hoy ny teny :« Aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy na avy amin’ Andriamanitra ireny … »(1 Jao 4.1).

2-Ny olona jamban’ny harena .

Ny tanjon’i Ismaela amin’izao fambaboana sy famonoana olona izao dia ny mba hahazoany babo entiny hanompo azy . Ao koa ny fanangonana ny harenan’izy ireo . Manamarina izany indrindra ny famelany ireo folo lahy milaza fa mana-tahiry any an-tsaha . Novelominy indray ireo hanoro azy ny misy izany (41.8). « Izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena  » (Mpitoriteny 5.9b), « fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra » (1 Tim 6.10a).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6