Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 41.11-18/42.1-6
11 Fa nony ren'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania, 12 dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory* ao Gibeona izy.[Heb. ny rano be] 13 Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly. 14 Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea. 15 Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona. 16 Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona; 17 ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama*, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.[Na: an-tranom-bahinin'i Kimama] 18 tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 41.11-18/42.1-6

Eo amin’ny fiainanan’y olona dia:

1-Mahafaly harany no mahia mpamonjy

Ren’i Johanana sy ny mpifehy miaramila ny nitondran’i Ismaela ny olona ho babo . Namory ny olona azony novoriana izy mba hamonjy ireo olona ireo . Faly ireo olona ireo nahita fa tonga ny mpamonjy azy , ary dia nanatona ireo ny babo . Nangeja anao koa i satana , saingy soa « fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very » (Lio 19.10) . Hafatra ho an’ny mila vonjy : »manatona an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy » (Jak 4.8a) .

2-Tsaroana i Jehovah rehefa tojo zava-tsarotra :

Very hevitra ny vahoaka manoloana ny zava- mitranga . Matahotra mafy ny Babyloniana izy ireo , izay mety ho tezitra noho ny nahafatesan’ilay napetrany hifehy ny tany. i Jeremia no nohatonin’izy ireo sy iangaviany mba hanontany an’ Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony . « mba hambaran’i Jehovah Andriamanintrao anay izay làlana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay  » (42.3). Ary nolazainy fa na ho soa na ho ratsy izany dia vonona ny hanatanteraka izy. Fanao tsara ho antsika izany mba hahombiazana amin’izay hatao (Isa 30.21/Sal 37.5/Oha 16.3).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6