Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 43.1-13
1 [Ny nandosiran'ny olona nankany Egypta, sy ny teny nampilazain'Andriamanitra ny amin'ny handresen'ny Kaldeana an'i Egypta] Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy, 2 dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; 3 fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona. 4 Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda. 5 Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda, 6 dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria 7 ka dia nankany amin'ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa. 8 Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe: 9 Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy amin'ny Joda, 10 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin'ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy. 11 Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra. 12 Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy. 13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 43.1-13

Izao no azo hisokajiana ireto Joda sisa tsy babo ireto :

1-Vahoaka maka fanahy an’ Andriamanitra .

Voalaza eo amin’ny 42.6 fa na soa na ho ratsy dia hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra ireto vahoaka ireto . Tsy izany anefa no niseho , fa rehefa nambara taminy fa ny mijanona eo amin’ny taniny no sitrapon’ Andriamanitra hahavelona azy ireo , dia fandavana no nasetrin’izy ireo an’i Jeremia . Ity farany indray aza no ampangainy fa mpandainga sy mitady izay hahababo azy any Babylona . Marina ny faminanian’i Isaia hoe: »Iza no nino ny teny nampitondraina anay? » (Isa 53.1).

2-Vahoaka mitady loza:

Ny ho afaka amin’ny famaboan’i Nebokadnezara no antony handosiran’ireto sisa mopla tsy babo tamin’i Joda ireto any Egypta . Nanaraka azy hatrany Egypta i Jeremia , ary dia nanohy ny faminaniany , fa tsy ho ela dia ho lasan-ko babo ihany koa i Egypta , ka horavan’ny Babyloniana . Ho diso fanantenana noho izany ireto vahoaka tsy nino ny faminaniana ireo . Mila manaiky hatrany isika fa ny fihevitsika dia tsy fihevitr’ Andriamanitra ary ny làlantsika tsy mba làlany (Isa 55.8-9)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6