Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.1-10
1 [Fananarana ny Jiosy any Egypta mba tsy hanompo sampy] Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa*, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:[Heb. Nofa] 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy, 3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo. 4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany. 5 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa. 6 Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao. 7 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo, 8 noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany? 9 Moa hadinonareo va ny ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema? 10 Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.1-10

Mahatezitra an’ i Jehovah ireto vahoaka sisa satria:

Efa nandre ny faminaniana ny amin’ny fiavian’ny loza ireto Israely nandeha nitsoaka any Egypta ireto. Efa natrehany ny fandravana an’i Jerosalema sy ny fahababoan’ny namany , saingy tsy mety mino mihitsy izy ireo . Mitovy amin’ny olona tamin’ny andron’i Jesoa izay nahavita nanao rarivato mahafinaritra ny fasan’ny mpaminany , saingy tsy mino ny fanambarany . Aoka mba tsy ho ianao izany !

2-Tsy mahafoy ny fitiavan-tsampy

Tsy nitsahatra nanamafy ny mpaminany nifandimby fa ny fanompoan-tsampy no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra nihatra taminy. Kinanjo , na dia tonga any Egypta tany fandosirany aza izy ireo dia mbola manohy izany fanompoan-tsampy izany . Aza adinoina fa ny fanompoa-tsampy no fady indrindra (1 Pet 4.3).

3-Tsy mbola torotoro fo :

Tsy ny fahaizana tsianjery no tena tanjona tamin’ny nanomezana ny lalàna , dfa ny hahatonga ny olona hiaina izany . Mila miteraka fanenenana tanteraka ho an’izay nandika azy Andriamanitra . Tsy hita mihitsy amin’ireto olona ireto izany . Mila manenina amin’ny nataony izy . Tsarovy fa ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataon’Andriamanitra tsinotsinona (Sal 51.17).