Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 46.1-17
1 Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa. 2 [Faminaniana ny amin'i Egypta] Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: 3 Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady; 4 Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena. 5 Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah. 6 Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy. 7 Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano 8 Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. 9 Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana*, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana**, izay mitana sy manenjana tsipìka.[*Heb. Pota][**Heb. Loda] 10 Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata. 11 Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao, 12 Efa ren'ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta. 13 Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta. 14 Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra. 15 Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy. 16 Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza, 17 Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 46.1-17

Rehefa avy nanome teny ho an’i Baroka ny Tompo dia nitodika niteny tamin’ny firenena Jentilisa kosa manomboka eto :

1-Natombony tamin’i Egypta

Nirehareha sy niavona tsy nisy toy izany i Egypta noho ny tanjany ara-toe-karena sy ara-tafika (and3-4,14). Nihazakazaka nitady vonjy tamin’izy ireo Israely . Mainka moa fa nisy ireo firenena manodidina niara-dia taminy (Etiopia , Lybia;Lydia…and9) . Saingy , nitsangana hamaly ny fampahoriana ny vahoakany ny Tompo . Nasehony fa « voaomaba ho amin’ny andro iadiana ny soavaly fa an’ny Tompo ihany ny famobjena  » Oha 21.31

2-Nampiasainy i Babylona

Tompo masi-mandidy amin’ny ataony ny Tompo , satria mafy fo i Joda . Nikiry tamin’ny fanompoan-tsampy dia nofaiziny . Nampahory ny firenen’i Joda i Egypta dia nohelohiny ihany koa tamin’ny alalan’i Nebokadnezara , mpanjakan’i Babylona (and13). Fiasana fotsiny ihany i Nebokadnezara , fa an’ny Tompo mihitsy ny ady . Nody ny sain’Israely ka nahita fa tsy misy mahajanaona eo anatrehan’ny herin’ny Tompo(and17) . Tsaroana eto indray fa an’ny Tompo Andriamanitra ny ady ary Izy mihitsy no mitsangana « ho afahavalon’ny fahavalontsika  » Eks 23.22, raha mihaino sy mankato isika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6