Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Desambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 51.1-32
1 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay*.[Leba-kamay = Kaldea] 2 Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo. 3 Izay manenjana tsipìka mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano* avokoa ny miaramilany rehetra,[Heb. Ataovy herema] 4 Mba hiampatrampatra any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny. 5 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny. 6 Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy. 7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny. 8 Tampoka no naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy. 9 Nitady hanasitrana an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin'ny rahona. 10 Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika. 11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny. 12 Manangàna faneva eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona. 13 Hianao izay monina eny amoron'ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena. 14 Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia* hanakora hamely anao, [Na: na dia hofenoiko olona maro toy ny valala aza ianao, dia ireny no] 15 Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany. 16 Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany. 17 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy. 18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. 19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany. 20 Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana, 21 Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy; 22 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina; 23 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny. 24 Ary hampanodiaviko an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah. 25 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra. 26 Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah. 27 Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre* firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina**. [*Heb. Manamasina][**Na: mahatsiravina] 28 Manendre firenena sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany. 29 Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina. 30 Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny. 31 Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo. 32 Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 51.1-32

Efa nanomboka voateny ny firenena Babylona tao amin’ny Jer 49.31. Kaldeana kosa no iantsoana ny mponina ao aminy . I Nebokadnezara no mpanjakany. Manondro an’i Babylona avokoa ireo teny telo ireo .

1-Mamely an’i Babylona ny Tompo

Faharavana , famaizana , fandringanana no azeran’ny Tompo aminy .Nangoniny ny fanjakan’i Ararata , i Miny , i Askenaza hamely azy . Ny lehibe indrindra tamin’ireny dia ny Mediana (and11,27) . Tsy misy fanavotana mihitsy ho an’i Babylona . Inona nomba azo antenaina amin’izany andro famaliana azy izany ? Sabatra sy fandringanana.

2-Velona ny fanantenan’ilay firenena babo

Ny mifanohitra amin’izany kosa ho an’Israely sy i Joda. Mafy ny nanjo azy ireo tany am-pahababoana . Nalemy tanteraka izy . Manazava ny fihetsehampo niainan’izy ireo tany Babylona ny Salamo 137. Mahery anefa ny mpanavotra azy izay nitondra azy nivoaka avy tany Babylona .

Dia tanteraka eto ny Sal 66.10-12 hoe: « Fa efa nizaha toetra anay ianao Andriamanitra ô, efa nanadio anay ianao , tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika ianao . Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay ianao . Nandeha namaky ny afo sy rano izahay , fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika ianao «  .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6