Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Desambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 51.33-64
33 Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy. 34 Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy. 35 Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako! 36 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony. 37 Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina. 38 Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy. 39 Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah. 40 Hampidiniko ho any amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy. 41 Endrey! afaka Sesaka*! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.[Sesaka = Babela] 42 Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy. 43 Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy zanak'olombelona mamaky eo. 44 Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana. 45 Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. 46 Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka. 47 koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy. 48 Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah. 49 Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona. 50 Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema. 51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah. 52 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka. 53 Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah; 54 Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana! 55 Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony. 56 Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa. 57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany. 58 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka. 59 Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy. 60 Ary nosoratan'i Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona. 61 Ary hoy Jeremia tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo, 62 ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy. 63 Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy. 64 ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 51.33-64

Rehefa ampilaharina ny fitsingidinan’i Babylona sy ny fisandratan’Israely sy i Joda dia vao mainka misongadina ny fandresen’ny Tompo.

1-Mitsotsori-midina hatrany i Babylona

Nanomboka tamin’ny fotoana nitenenan’ny Tompo fa hamaly an’i Babylona ny raharaha (and33). Ny Tompo mihitsy no miady aminy ka dia resy tanteraka izy (and36), tsy vitan’izay , rava i Babylona ka tsy nahataona tao aminy intsony ny Israely sy i Joda izay nobaboiny izy . Fahafatesana no manenika ny tanin’ny Kaldeana (and47).

2-Mankalaza ny fandreseny ny Tompo

Fahafahana ho an’ny babo no nateraky ny famalian’ny Tompo ny namelezana ny olony (and48). Hatrany amin’ny bokin’ny Apokalypsy no mbola hiderana ny Tompo noho ny hahatanterahan’ny fandravana an’i Babylona (Apo 18.20) »…toy izao no hilentehan’i Babylona ka tsy hifongarany intsony ... » hoy ny namaranan’i Jeremia ny faminaniany (and64).

Miantso antsika ny mpanao salamo noho izany manao hoe: « Mihirà fihiram-baovao ho an’ny Tompo , fa efa nanao fahagagana Izy , ny tànany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena « Sal 98.1

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6