Fandalinana ny Boky ASAN’ny APOSTOLY
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Mey 2019
Fandalinana ny Boky ASAN'ny APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 2,42 - 3,11
42 Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. 43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. 44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, 45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. 46 Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, 47 nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo. 1 [Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. 2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; 3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. 4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. 5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. 6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. 7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. 8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. 9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra. 10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. 11 Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.Fandalinana ny Boky ASAN’ny APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 2.42-47 / 3.1-11
Ireo fototra efatry ny fiainam-piangonana
–Ny fampianaran’ny Apostoly. Mifototra amin’ny tena sy ny asan’I Kristy ary voazava miainga amin’ny lalàna sy ny faminaniana tao amin’ny fanekena taloha.
–Ny famakiana ny mofo
Fiainana ny asam-pisoronana sy ny asam-panavotana vitan’I Kristy teo amin’ny hazo fijaliana , izay iainana ao anatin’ny firahalahiana .
-Fivavahana: Fanompoampivavahana hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra
-Fiombonana : ny fenitry ny fiombonana no ndeha horaisintsika fiangonana ankehitriny, izany hoe : miray fo sy saina ary fanahy amin’izay atao.
Raha izay voalaza eo amin’ny and 44-45 mantsy dia azo ambara fa fandresen-dahatry ny Apostoly nateraky ny fiheverana fa I Jesoa Kristy dia hiverina vetivety ka naleon’izy ireo nivarotra ny fananany fa tsy hhary ety an-tany intsony.
Fiangonana velona sy mifoha
Nitombo isanandro ny olom-bonjena (and 47) . Nanamarina ny asany ny Tompo tamin’ny famantarana sy fahagagana teo amin’ny fiangonana (toko 3.7-9). Fifaliana sy fahatsorampo no niainana ny fiainam-piangonana . Inona kosa re no mari-drefy handrefesantsika ny fiangonantsika e!
“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” Boky faha- 8