Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Mey 2019

Fandalinana ny Boky ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 1. 1-14
1 [Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny, 2 hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny, 3 sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana] 5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. 6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? 7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] 8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. 9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. 10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, 11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. 12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata). 13 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak*'i Jakoba. [* Na: rahalahin'] 14 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.

Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 1. 1-14

Ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly no mitantara ny fiainan’ny Fiangonana tany am-piandohana .

Ny fiakaran’i Jesoa Kristy

Taorian’ny efapolo andro nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia tonga ny fotoana nampiakarana Azy tany an-danitra (and9). Nohamafisin’ny Tompo taminn’y mpianatra ny fahamarinana ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (and3). Heverina araka izany fa mifantoka amin’izany indrindra ny vontoatin’ny fitoriana nasain’i Kristy hotanterahin’ny mpianany .

Ny ministeran’ny Fanahy Masina

Nisongadina manomboka eto ny fidiran’ny Fanahy masina an-tsehatra teo amin’ny fiainan’ny mpianatra (and2). Izy no hiantoka ny fitarihana ny mpianatra ary ho loharanonkery hahefany ny iraka nomen’ny Tompo azy (and8) . Ny fiainam-bavaka sy ny faharetana amin’ny fivavahana eo amin’ny mpanara-dia ny Tompo ao anatin’ny firaisan-tsaina no antoka hivelaran’ny asa nomen’i Kristy ny mpianatra (and 14). Maharitra amin’ny vavaka sy miray saina ve ny mpino amin’izao vanim-potoana sarotra izao?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8