Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Mey 2019

Fandalinana ny Boky ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 2.22-41
22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, 23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna; 24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy. 25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, 26 Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana; 27 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy] 28 Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11). 29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. 30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na: hapetrany] 31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy] 32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. 33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana 35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. 40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo. 41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.

Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 2.22-41

Kristy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana

Ivon’ny toerana kristiana voahombo teo amin’ny hazo fijaliana .Omen’i Petera amin’ity fandaharan-teny nataony ity fa tsy nahatazona an’i Jesoa Kristy avy any Nazareta ny fasana , satria Andriamanitra no nitahiry sy nanangana Azy ho velona (and24-28).

Jesoa Kristy mipetraka eo ankavanan’ny Ray

Tsy izany fa nampipetraka an’i Jesoa Kristy ho eo ankavanany Andriamanitra Ray . Ny tanjony dia ny hamotika ny fahavalon’i Kristy mandrapahatonga azy ho eo amn’ny fitoera-tongony (and34,35) .

Mana antoka izany ny kristiana fa Andriamanitra mihitsy no miady handringana izay tsy miaraka amin’i Kristy.

Ny làlan’ny fibebahana

Raha mahatsiaro anao amin’izao ora sy fotoana zao fa tsy mbola nandray an’i Kristy dia miantso anao ny Tompo . Mibebaha ary mhavàna Aminy mba handosiranao ny fahatezeran’ Andriamanitra . « Sambatra ny olona izay voavela y helony sy voasarona ny fahotany …sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah… » Sal 32.1,2

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha- 8