Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Mey 2019
Fandalinana ny Boky ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 6.1-15
1 [Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany. 2 Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay. 3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. 4 Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana. 5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia), 6 ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy. 7 Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana. 8 [Ny amin'i Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. 9 Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana. 10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo; 11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy* an'i Mosesy sy Andriamanitra ity. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3] 12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona; 13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna; 14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika. 15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 6.1-15
Raha raisina araka ny fiheverana mahazatra hilaza ny nifidianana ireo »diakona » voalohany ity tantara ity dia mampianatra antsika fa:
1-Ny Diakona : vahaolana ho an’ny Fiangonana
Ambaran’ny and 1 fa nisy olana niseho teo amin’ny Fiangonana. Ho vahaolana amin’izany no antony nifidianana azy 7 lahy . Ny fanontaniana àry dia izao : Ianao Diakona io, olana ianao sa vahaolana ho an’ny Fiangonana misy anao?
2-Ny Diakona : kristiana faka tahaka
Jereo ange ny filazana ny mason-tsivana nifantenana ireo ho diakona e: »tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, feno finoana » (and3,5). Fatratra izany ! Ary irariana mba ho izany avokoa ny diakona rehetra eo amin’ny Fiangonana misy antsika . Dia ho marina amintsika koa ny fandrosoana mahafaly niseho tamin’ny Fiangonana voalohany voalazan’ny and 7.
3-Ny Diakona : vavolombelona mahery
i Stefana no resahina manokana eo amin’ny and 8-15. Stefana , iray amin’ireo Diakona 7 lahy io . Diakona « feno fahasoavana sy hery » izy (and 8) ka na nisy aza « nitsangana ka niady hevitra taminy » (and9) dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo (and10) . Moa tsy Diakona mahajoro amin’ny finoana toy izany no tena ilaintsika koa ankehitriny ?
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8