Fandalinana ny Boky ASAN’ ny APOSTOLY
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Mey 2019
Fandalinana ny Boky ASAN' ny APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 1.15-26
15 [Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona* vory teo) ka nanao hoe: [*Gr. anarana] 16 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy; 17 fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa. 18 Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy. 19 Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà. 20 Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8). 21 Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo, 22 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany. 23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. 24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto, 25 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany. 26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.Fandalinana ny Boky ASAN’ ny APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 1.15-26
Asan’ny Fanahy Masina ny fanendrena ny olona iray ho amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra .
Mampahafantatra antsika amin’ny fomba miavaka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly raha ny fiasan’ny Fanahy Masina manokana no jerena . Izy no nanendry izay ho solon’i Jodasy (and26). Tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-bavaky ny mpianatra anefa izany fikatsahana ny sitrapon’ Andriamanitra izany (and24).
Manaitra ny saina ny mahafantatra fa ny Fanahy masina no efa nanindry mandry an’i Davida (Sal 109.8) ny amin’i Jodasy . Mariho tsara fa 1010 taona mialoha izany faminaniana izany . Tena Andriamanitra tokoa ny Fanahy masina .
Aza omena ho an’ny hafa ny zara fanompoanao
An’ny Tompo ny Fiangonana. Izy no niantso sy nanendry ny olona araka ny nahim-pony malalaka . Matoa misy seham-panompoana nametrahany olona dia misy filàna sy asa miandry eo izany . Raha sendra tojo fahabangana izany noho ny antony maro samihafa dia aza manahy fa tadiavo amin’ny alalan’ny fiombonam- bavaka izay ho fitarihana vaovao omen’ny Fanahy Masina. Tsy misy olona tsy hainy soloina . Azy ny asa …noho izany miantoka ny hampandehanana izany Izy .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8