Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 1,17 - 27
17 Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao 18 (ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara* izany): [Jasara = Ilay mahitsy] 19 Ilay voninahitrao*, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra] 20 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora. 21 Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana* ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka** tsy nohosorana diloilo.[*Na: nanariana][**Na: toy ny an'izay] 22 Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana. 23 Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. 24 Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. 25 Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana. 26 Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy. 27 Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 1.17-27

Omem-boninahitra mandrakariva ny olom-boahosotra, na dia eo aza ireo mety ho fahalemeny.

1-Nasehon’i Davida fa olom-boahosotra i Saoly

Navesa-danja tao anatiny hatrany ny maha- olom-boahosotra ny mpanjaka . Ilay voninahitry ny Israely no ilazany azy na dia lavo sy matin’ny fahavalo aza.

2-Nasehon’i Davida mazava tsara ny alahelony

Hoy izy: »Endrey !lavo ny mahery« (and19,25,27). « Indrisy« : hoy ny fanitsiana ny dikateny. « ory noho ny aminao aho , ry Jonatana rahalahiko« (and26) . Na dia efa nifofo ny ain’i Davida aza i Saoly dia tsy noraisiny ho fifaliana ny zava-nihatra taminy. »Aza ambaranareo…aza torinareo ho fifaliana« (and20).

3-Notsiahivin’i Davida ny soa vitan’i Saoly .

Hita izany na tamin’ny fitarihana tafika na tamin’ny fiahiana sy fitondrana ny vahoaka: »fa nahafinaritra ny nampitafiany jaky anareo , sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo »(and24). Toy izany koa ny toetrany izay tena be fitiavana. Tsy hoe »maty vao Ramalala » akory izany , fa tena toetrany mihitsy ny tia izay nanenjika azy , araka ny hafatr’i Jeso amintsika hoe: »Tiava ny fahavalonareo ary manaova soa amin’izay mankahala anareo » (Lio 6.27)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3