Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 13,1 - 14
1 [Ny ratsy nataon'i Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma] Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida. 2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy. 3 Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra. 4 Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho. 5 Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany. 6 Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankat? hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany. 7 Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy. 8 Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo. 9 Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra. 10 Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento at? amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny. 11 Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko. 12 Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb. fahadalana] 13 Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. 14 Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 13.-14

Hentitra amin’izay efa nambarany tany amin’ny toko 12.11 ny Tompo . Koa tonga ny loza ho an’i Davida sy ny ankohonany .

1-Ireo olona’ny ankohonana

I Amnona . Nentanin’ny filàna ka nahavita nanolana ny anabaviny tsy iray reny aminy tamin’ny alalan’ny fitaka. Nivadika ho fankahalana ilay fitiavany rehefa tanteraka ny sitrapony . I Tamara , na dia naneho fahendrena tamin’ny teny aza dia tsy nahatohitra noho ny hery ka nitondra henatra sy ratram-po nody. I Davida , nitahiry alahelo. I Absaloma nalahelo ny anabaviny ka vitany ny namono an’i Amnona . 2 taona taty aoriana tamin’ny alalan’ny fitaka nandositra nanao sesitany ny tenany .

2-Ireo hafatra mafonja .

Fitaka : Zava-dratsy ny fitaka fa avy amin’ny devoly . Lolompo: Tsy mahasoa ny mitahiry izany . Tsaho : tsy mba fanely izany . Ny marina no filaza . Fampihavanana: tokony hatao izany . Vitaina hatramin’ny farany toy ny nataon’ilay vehivavy avy any Tekoa , fa tsy atao tapany toy ny an’i Joaba izay nampody an’i Absaloma fotsiny . Fifamelana: Tsy tsara ny modelin’i Davida nanome fa antsany (14:24).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3