Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Janoary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 15,13 - 29
13 Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely. 14 Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna. 15 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko. 16 Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano. 17 Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy. 18 Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana* rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita] 19 Ary hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin'ny fonenanao. 20 Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana. 21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao. 22 Ary hoy Davida tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo. 23 Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny lalana mankany an-efitra. 24 Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna. 25 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany. 26 Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara. 27 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin'ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak'i Abiatara. 28 Indro, izaho hijanonjanona eny amin'ny fitàna* any amin'ny efitra mandra-pahatongan'izay teny avy at? aminareo hambara amiko.[Na: tani-hay] 29 Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 15.13-29
Noho ny fikomiana notarihan’i Absaloma zanany dia voatery nandositra niala an’i Jerosalema i Davida .
1-Nitsimbina ny tanàna izy . Azony natao ny namahatra tao an-tanàna , ka niandry vokatr’izany. Koa nisafidy ny hiala i Davida mba ho fitsimbinana ny tanàna (and14). Rehefa dinihana ny and 19 dia tsy niady seza izy , ary mbola fitsimbinana ny tanàna izay . Nalahelo tokoa izy sy izay niaraka taminy ka nitomany nikaikaika niala tao.
2-Nekeny ny hanarahan’ny namany azy .Tsy isan’ny Hebreo i Itahy Gatita fa naman’i Davida . Neken’i Davida ny hanarahan-dry i Itahy sy ny olony azy. Tsy nafeniny anefa fa handeha hanjenjena izy .
3-Nolaviny ny hanarahan’ny fiara azy . Tsy nekeny ny handehan-dry Z adoka miaraka aminy satria izy no voakapoka (Ampitahao 12.11) ka ekeny ny fitondran’ Andriamanitra izay mbola hamerina azy indray ho mpanjaka na tsia.
4-Namela solotena izy. Vaditsindrano 10 no navelany hiandry trano mba ho famantarana fa any izy toy ny mpandrato na mpanjaka mivoaka hiady , mety ho tonga ihany indray andro any. I Zadoka sy ny zanany koa no toy ny masoivohony tao , izay hanome azy ny vaovao miseho ao an-tanàna.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky hafa- 3