Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Janoary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 15,30 - 16,4
30 Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa. 31 Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela. 32 Ary nony tonga teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; 33 ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko; 34 fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon'ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon'i Ahitofela. 35 Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona. 36 Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho at? amiko. 37 Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema. 1 [] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara*.[Na: siny hoditra] 2 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra. 3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy. 4 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 15.30-37;16.1-4
Ao anaty fitsapana tokoa ry i Davida sy ny mpanaraka azy.
1-Mahay mandini-tena . Ny fihetsika 3 sosona lazain’ny and 30 dia hanehoana ireto: alahelo ny tomany , fahoriana lalina na henatry ny mpanota ny fisaronan-doha, ary fanetretenan’ny mpanompo ny tsy mikapa . Nandini-tena i Davida ary fantany ny nataony ary azony tsara ny valin’ny hoe:nahoana izao no mihatra aminy .
2-Mahay mivavaka. Ren’i Davida ny tatitra momba an’i Ahitofela. Noho izay dia nivavaka izy ka nangataka mazava mba hodian’ny fahendren’i Ahitofela ho fahadalana . Eo amin’izay maha-voafetra antsika tokoa manko dia Andriamanitra ihany no afaka miditra an-tsehatra hamadika ny hevi-petsy ataon’ny olona ho tonga fahadalana (Joba 5.13).
3-Mandray fanampiana .Tonga hanolo-tànana azy i Hosay arkita. Naveriny ho any Jerosalema anefa izy rehefa nomeny iraka mazava hanafoana ny hevitr’i Ahitofela ho amin’ny tombotsoan’izy Davida. Tonga koa i Ziba mitondra vatsy samihafa. Tsy nolaviny kosa izany fanoloran-tànana izany . Nekeny koa ny fangatahan’io ho isan’ny mpomba azy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3