Fandalinana ny Boky 2 Samoela
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Janoary 2019
Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 16,5 - 23
5 Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana. 6 Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany. 7 Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy! 8 Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà. 9 Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany. 10 Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany? 11 Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany. 12 Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko* ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)] 13 Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka. 14 Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka*, ka dia naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy] 15 [Ny nataon'i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan'i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy. 16 Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka! 17 Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao? 18 Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako. 19 Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa. 20 Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika. 21 Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao. 22 Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra. 23 Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.Fandalinana ny Boky 2 Samoela
2 Samoela 16.5-23
Samy manana ny fijeriny ny tsirairay eo anoloan’ny tranga lalovana.
1-I Simey: Mijery ny lasa i Simey , ka notazoniny ho mpamono ny taranak’i Saoly i Davida. Nanozona izy ankehitriny noho izany . Nifaly izy noho ny fahavoazan’i Davida , saingy tsarovintsika izao teny izao : »Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro hahitany loza izay tsy misy toa izany » Obadia 12
3.Hosay: Mijery ny hahalavorary ny iraka nankinina taminy izy ka nankanina taminy izy ka nankany amin’i Absaloma hiarahaba azy aloha . Mody namitram-pihavanana izy araka izany .
2- i Davida : Mijery ny fitondran’ Andriamanitra izy . Tsy vahaolana ny fampiasan-kery, ka aleo mangina miandry izay ataon’ny Tompo mpamindra fo . Mbola manana fanantenana izy fa haverin’ Andriamanitra amin’ny laoniny ny ho aviny (Ampitahao and 11-12).
4-I Absaloma : Mitsinjo ny rahampitso izy ka mampiasa sy mitoky amin’ny lojika sy tetik’olombelona . Ny nandriany tamin’ireo vaditsindranony dia marika lehibe fa nambabo ny tsara indrindra an’i Davida izy ka tonga fahavalony . Fahatanterahan’ny 2 Sam 12.11 io zava-mahavoafady voararan’ny lalàna nataony io (Lev 18.7).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3