Fandalinana ny Boky 2 Samoela

Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Janoary 2019

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 17,15 - 29
15 Dia hoy Hosay tamin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy. 16 Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna* any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.[Na: tani-hay] 17 Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin'i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy. 18 Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy. 19 Ary nalain'ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala. 20 Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema. 21 Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo. 22 Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka ,azy, ka nita an'i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza. 23 Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy. 24 [Ny nandresena an'i Absaloma, sy ny nahafatesany] Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an'i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay nanaraka azy. 25 Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita* atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.[Na: Ismaelita; izahao 1 Tan. ii. 17] 26 Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin'ny tany Gileada. 27 Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima, 28 Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba* ary voanemba voaendy [erva lenta] 29 sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby* ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta at? an-efitra ny vahoaka.[Na: rononomandrin'omby]

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 17.15-29

Mita an’i Jordana ry i Davida. Nanampy azy ny Tompo ka tsy namela azy ireo mba handeha irery.

1-Tamin’ny namana .Olona maromaro mifanohy asa no nanolo-tsaina an-dry i Davida mba hitany haingana an’i Jordana . Eo ry i Zadoka tao Jerosalema , ilay mpanompovavy tany En-Rogela , ry i Ahimaza, ilay vehivavy tao Bahorima.

2-Tamin’ny fahavalo. Na eo aza ireo mpila sitraka dia tsy nahavita na inona na inona . Namoy fo kosa i Ahitofela ka lasa namono tena.

3-Tamin’ny fitana an’i Jordana. Mora hiarova-tena ny maha-eny an-dafin’i Jordana , noho ny mahavitsy ny làlana azo hiampitana (ilay ony midina : 300 ambonin’ny ranomasina ny loharanony, 360 ambanin’ny ranomasina ny fiafarany ka mitsatoka tokoa).

4-Tonga tao Mahamaina. Tao no renivohitry ry Isboseta (2 Sam 2.18,12,29) . Tao no nandraisany fanampiana ara-tsakafo, ilay filàna fototra voalohan’ny olombelona . Tsapa eto ny fahamarinan’ny Salamo 138.7 manao hoe: « Na dia handeha eo amin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao . Haninjitra ny tànanao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary hamonjy ahy ny tànanao ankavanana« .

« Raiso ny tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3