Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 5.11-21
11 Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa. 12 Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho* ihany, fa tsy amin'ny fo.[*Gr. tava] 13 Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. 14 Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. 17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. 20 Koa dia iraka* solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.[*Gr. ambasadôra] 21 Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 5.11-21
Ry mpino ô! manan-draharaha amin’ny fampihavanana ianao . Napetraky ny Tompo amintsika ny Teny fampihavanana (and19) .
1-Ny fitiavan’i Kristy no manery antsika
Tsy mora ny asa fampihavanana . Mety hahazo teny maharary sy fanevatevana , ataony hoe: very saina mihitsy aza… Teren’ny fitiavan’i Kristy isika (and14). Satria ny fitiavan’i Kristy dia ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny Ran’ny fampihavanana no velona ao anatin’ny mino ka HERY manainga sy manery azy . manana izany ve ianao? Mangataha amin’ny Tompo .
2-Olombaovao izay ao amin’i Kristy
Amin’ny asa soratr’i Paoly dia manan-danja ny filazany hoe : « Ao amin’i Kristy « , tontolo vaovao hahaterahan’ny olona tonga mino ny Zanak’ Andriamanitra izany. Tonga olombaovao izay tafiditra ao. »Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy » (5.17). Andraikitra napetraky ny Tompo amin’ny mino ny mitondra ny olona ho ao amin’i Kristy, mampihavana azy amin’i Kristy ary manova ny fiaraha-monina ho vaovao amin’ny alalan’ny fampihavanana noho i Kristy
3-Ambasadaoron’ny fampihavanana
Ny ambasadaoro dia iraka , mpisolo tena ny fireneny any an-tany hafa. Ny mino dia mpisolo-tenan’ny fiarahamonin’ny lanitra ety an-tany , manao ny fomba rehetra hahatanteraka ny fampihavanana ho amin’ny famonjena ao amin’i Kristy . Raiso ny andraikitrao! (Mat 28.19).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8